<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>169</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Ry Tompo Andriamanitra,
 Mpanao izao rehetra izao !
 Midera Anao ny lanitra
 Ny tany koa mitsaoka Anao.

[V2]
 Hianao no Ray mandrakizay,
 Mpanao izao tontolo izao,
 Tongava re, ka mba tahio
 Ny vavakay atao anio.

[V3]
 Ry Kristy ô, Mpanavotra,
 Mpamonjy be fitia tokoa,
 Hianao no Zanaky ny Ray,
 Ka mendrika haja, saotra koa !

[V4]
 Fanahy Masina ô, avia,
 Sasao ho voadio izahay,
 Hanoa sy hanara-dia
 Ilay Mpamonjy Tomponay.

[V5]
 Anao ny voninahitra
 Sy dera tsy mitsahatra,
 Ry Telo Izay Iray, Tsitoha
 Ray, Zanaka, Fanahy koa !</lyrics>
<title>Ry Tompo Andriamanitra mpanao izao rehetra izao FFPM169</title>
<author>B. Crasselius</author>
</song>